Anjaran’ny eny Atsimondrano indray ! Anisan’ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, teny Anosizato, omaly ny momba ny fetin’ny asa. «Tsy handroso ny firenena raha tsy mbola atao laharam-pahamehana ny asa sy ny fanabeazana, ary ny fahasalamana», hoy izy. Nanteriny fa tsy nisongadina ireo sehatra ireo, ka nampitotongana ny sosialim-bahoaka. Nohararaotin’ny mpitarika ny MMM, nihainoana ny feon’ny vahoaka sy ny olana eny an-toerana izany. Nambaran’ireo mponina fa marary sy sahirana avokoa ny sehatra rehetra eny Anosizato sy ny manodidina. «Maro ny fampanantenana nataon’ny mpitondra taona vitsy lasa izay saingy nijanona ho fampanantenana fotsiny ihany», hoy izy ireo.
Etsy andaniny, nanentana ny olom-pirenena hanara-maso sy ho mailo amin’ny zotram-pifidianana ny MMM. Toy ny fanamarinana ny anarana eny anivon’ny fokontany sy ny fanoratana ny anarana raha toa tsy mbola ao anatin’ny lisi-pifidianana. «Tsy tokony hisy olom-pirenena ho very zo, hifidy ny ho filoham-pirenena ao anatin’ny 5 taona manaraka, sy ireo fifidianana hotanterahana», hoy Andrianainarivelo Hajo.
Mbola nohamafisiny ny fisian’ny fitsinjaram-pahefana. Maro ny vola miditra amin’ny fanjakana avy amin’ny vahoaka, amin’ny alalan’
ireo hetra samihafa. «Tsy misy anefa ny tamberin’andriakitra avy amin’izany. Tsy hatokisan’ny mpitondra fanjakana ireo rantsa-mangaika eny ifotony ary tsy omena fahefana. Mampihisatra ny fampandorosana izany», hoy ihany izy.
Synèse R.