Tohanan’ny tetikasa Ambatovy koa ny fikambanana tantsaha any amin’ny distrikan’i Toamasina II, Brickaville ary Moramanga. Tantsoroka ahafahan’izy ireo mametraka ao anatin’ny fikambanana rafitra fanaovana tahiry sy fifampindramam-bola ary iarahan’ny mpikambana mitantana. Nataon’Ambatovy izany entina hanatsarana ny asa mampidi-bola ho azy ireo.
Miisa 54 ny fikambanana tantsaha misitraka ny fanampiana avy amin’Ambatovy, amin’ny fampiasana ity rafitra ahafahana mitahiry sy mifampindram-bola ity, avy any Toamasina II, Brickaville ary Moramanga. Ahafahan’izy ireo mahazo vola hamatsiana ny tetikasa nefa tsy mila antoka, toy ny an’ny mpampindram-bola hafa, toy ny banky, ohatra, ity rafitra ity. Sady miaro azy ireo amin’ny mpampanjana-bola koa izany.
Mpitari-dia 15 any Morarano Gara nahazo fiofanana
Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany any Moramanga ihany koa ny tetikasa Ambatovy. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny fikambanana frantsay EGUEDI, ivondronan’ny mpisehatra matihanina amin’ny fizahantany. Miisa 15 ny mpitari-dia avy any Morarano Gara nofanina, ary niisa dimy ho an’ny mpampiofana ao amin’ny distrika Moramanga.
Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tanora amin’ny teknika fitarihana mpizahatany sy ny fiarovana ny tontolo iainana manodidina ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy.
Tetikasa iarahan’Ambatovy miasa amin’ny kaominina Morarano Gara sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany Alaotra Mangoro (Ortalma) ity fampiofanana ity.
Njaka A.