Natao ny zoma , nandritra ny foire internationale de Madagascar (FIM), teny amin’ny zone Forello Tanjombato, ny fanaovan-tsonia fifanarahan’asa ataon’ny Fonds malgache de formation professionnelle (FMFP) na ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa miaraka amin’ireo vovonona telo misehatra amin’ny fiompiana. Anisan’izany ny Malagasy professionnel de l’élevage (MPE), ny interprofession aviaire de Madagascar (IPA) ary ny Malagasy Dairy Board (MDB). Araka izany, hisy ny fampiofanana an’ireo rehetra misehatra amin’ny fiompiana, mpikambana ao amin’ireo vovonana telo voalaza etsy ambony. Hamatsy izany ny FMFP, hanatsarana ity seha-pihariana ity. Hojerena ny filan’ireo mpisehatra. Tanjona rahateo ny hampiray ny vina apetrak’ireo mpikambana sy hanatsarana ny tontolon’ny fiompiana eto Madagasikara.
Henintsoa Hani