Harena an-kibon’ny tany: birao tokana ho an’ny volamena

Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy. Noresahany ny hananganana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany. Eo koa ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany.

Maromaro ny fiovana eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, manomboka izao. Hatsangana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany, eny amin’ny foibe Mining Business Center (MBC), eny Ivato. Nambaran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), Rako­to­malala Herindrainy Olivier, fa natao izany mba hanamorana ny fikarakarana, ka hatao eny amin’ity birao tokana ity ny antontan-taratasy rehetra, ny fandoavam-bola ary ny entana. Satria manan-danja sady saro-pady ny volamena.

Tsy maintsy misy
bokin’andraikitra
Mikasika ny harena an-kibon’ny tany ankapobeny, eo am-pikarakarana ireo fahazoan-dalana, izay manodidina ny 3.000 ankehitriny. Vao nankatoavina tamin’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Antenimieram-pi­re­nena. Maromaro ny zava-baovao nohavaozina. Anisan’ izany ny tsy maintsy hanaovan’ny mpandraharaha rehetra (vaventy sy madinika) bo­kin’andraikitra.
Naravona ao anatin’ny antsoina hoe «Permis réservés aux petits exploitants artisanaux» (PREA) ny fahazoan-dalana ho an’ny mpitrandraka madinika.
Anisan’ny zava-baovao koa ny tamberim-bidy 5% ra­ha 2% teo aloha. Ka ho an’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD) ny 2%, tsinjarain’ny kaominina, ny faritra ary ny faritany. Mankany amin’ ny fanjakana kosa ny 3%. Notsipihin’ny minisitra, fa tsy maintsy hisy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitantana ny CTD, mba hifehezana tsara ny fitantanana izany tamberim-bidy izany. Efa maro tamin’izy ireny no niditra am-ponja, satria nisy ny fanodikodinam-bola na kolikoly na fitantanana tsy mazava.

Fahaiza-mitantana
Araka ny efa notaterina teto, nahena koa ny velarantany hosahanin’ny mpandraharaha, toy ny fikarohana, ny fitrandrahana, ny fanavaozana ny fahazoan-dalana, sns. «Tanjona ny hisian’ny fahaiza-mitantana, ka hampiroborobo ny fitrandrahana vaventy, ary mba tena ho matihanina ny mpitrandraka madinika», hoy ny minisitra Ra­ko­to­malala Herindrainy.
Miditra amin’ny dingana fahatelo hidirana ho mpikambana feno ao amin’ny rafitra hi­sian’ny mangaraharaha
amin’ny fitrandrahana indostrialy (EITI) koa i Ma­da­ga­si­kara. Haroso amin’ny jolay 2023 izao ny fandinihina azy, hanombanana ny ezaka vita hatramin’izay.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: