Feno 40 taona ny Sekolim-pirenena ho an’ny informatika (ENI) any Fianarantsoa. Lohahevitra noraisina ny hoe «Sekoly mahay mamorona, taninketsan’ireo sangany amin’ny informatika». Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 24 mey 2023 ny fankalazana, mitohy mandritra ny telo andro amin’ny jolay ary ho faranana amin’ny desambra.
Maro ny hetsika hatao, manodidina ny sehatry ny niomerika, ny fihaonana sy ny fifanakalozana amin’ny orinasa, ny mpiara-miombon’antoka, ny famoahana mpianatra nahavita fianarana, sns. Iarahana amin’ny fikambanan’ny mpianatry ny ENI (AENI) sy ny fikambanan’ny mpianatra maintimolaly izany.
Miantso ny rehetra hitondra ny anjara birikiny hanamarihana ity taon-jobily ity ny filohan’ny mpianatra maintimolaly, ny Dr HR Zo Reziky Zafimarina. Toy ny mpianatra tranainy, ny orinasa, ny rafitra samihafa, sns. Ao anatin’izany ny hanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny hanorenana efitrano vaovao ho an’ny sekoly ENI, ny fananganana trano laboratoara niomerika «d’intelligence artificielle». Nambarany fa «tetikasa tsy manam-paharoa ireo, hampiakarana ny lanjan’ny sekoly. Inoako, fa ho tratrantsika ny tanjona rehefa eo ny fanohanan’ny rehetra».
Hany sekolim-panjakana ambony manofana teknisiana ambony sy injeniera amin’ny informatika ny ENI, niorina ny taona 1983. Ahitana ny sampana «Génie logiciel et base de données», ny «administration des systèmes réseaux» ary ny informatika ankapobeny. Manaraka ny rafitra LMD ny sekoly, nanomboka ny taona 2010.
Njaka A.