Foire internationale de Madagascar : nahatratra 25.000 ireo mpitsidika

Tratra ny fanamby. Na­homby ny hetsika «Foire in­ternationale de Madagascar» (Fim) andiany faha-17 tamin’ ity taona ity. «Nahasarika mpitsidika maro ity hetsika ara-toekarena lehibe ity. Tra­tra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara, nahatratra 25.000 ireo mpitsidika nandritra ny efatra andro nanaovana ny Fim, teny amin’ny “Parc des expos”, Zone Forello, Tan­jom­bato», hoy ireo mpikarakara. Niavaka tanteraka ny hetsika tamin’ity taona ity, angovo azo avy amin’ny he­rin’ny masoandro mamokatra hatramin’ny 600kw no nama­tsy ny tranoben’ny Hazovato. Vory teny an-toerana avokoa ireo mpandraharaha rehetra. Tao ireo orinasa madinika, salantsalany ary lehibe, samy nampiranty ny fahaiza-ma­na­ony sy nitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny toekarena malagasy.

Eco-responsable
Nomena toerana manokana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolo iainana. Manodidina ny 30 isa ireo fikambanana sy orinasa nampiranty ny fikolokoloana izany. Araka izany, tokony hametraka sy hanome lanja hatrany ny tontolo iainana ireo mpandraharaha sy ireo manana tetikasa rehetra mba hanana ho avy mamiratra eto amin’ny firenena.

Henintsoa Hani

Partager sur: