AFD-MEF: tohana ho an’ny fitantanana tsara ny volam-panjakana

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tohana entina hanatsarana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana.

Taorian’ny tombana ny taona 2013, natao ny taona 2016 ny famolavolana ny drafitrasa hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana (PSMGFP), mandritra ny 10 taona. Tanjona ny hametrahana rafitra mafy orina amin’ny fitantanana ny tetibolam-panjakana (GFP), mahomby, mangarahara, hanatanterahana ny Fandaharanasam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (PND).
Nisy ny fivoarana vita, saingy fantatra araka ny tombana ny taona 2021 fa nikorosy fahana ny fitantanana ny vo­lam-panjakana teto Mada­gasi­kara. Kely ny tahan’ny fampiasana ny vola, mivangongo ny fanomanana ny tetibola sady maro ny tondro tsy mahafapo. Tsy afaka manaraka akaiky ny fitantanana ny volam-panjakana ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Voafetra ny andraikitry ny Antenimierampirenena amin’ny fanadihadiana ny tetibolam-panjakana sy ny fandoavam-bolan’ny fanjakana. Ahi­tsy matetika ny fandoavan’ny fanjakana ny trosany. Lany andro ny fitantanana ny tsenambarom-panjakana. Tsy ma­hafapo ny fampiasambolam-panjakana sy ny fitantanana azy sady tsy mifanaraka amin’ny fomba fanao iraisam-pirenena. Tara ny fampiasana ny tetibola sady tsy ampy, toy ny famindrana ny vola any amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), ohatra.
7 tapitrisa euros

Namatsy vola 7 tapitrisa euros ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), hanohanana ara-bola ny tetikasa tan-tsoroka amin’ny fanavaozana sy fanamafisana ny fahaiza-manao (PARRC). Hoen­tina hamolavolan’ny minisiteran’ny Toekare­na sy ny teti­bola (MEF) ny drafitrasany vaovao PSMGFP 2022 izany. Nanao sonia ny fifanarahana ny minisitry ny Toe­karena sy ny tetibola, Raba­rinirinarison Rindra Hasim­be­lo, sy ny sekreteram-panjakana frantsay ho an’ny fampandrosoana, ny frankofonia ary ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, Chrysoula Zacha­ropou­lou, natrehan’ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois sy ny talen’ny AFD Madaga­sikara, Yves Guicquéro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: