Mihoatra amin’ny eritreritra, na « au-délà de l’imagination ». Miova ho izany indray ny teny filamatra vaovaon’ny Airtel Madagasikara, nanomboka ny alatsinainy 15 mey 2023 teo. Rivo-baovao entin’ny orinasa ho an’ireo mpampiasa ny tambajotra manerana an’i Afrika, indrindra ny tanora. Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, Eddy Kapuku, fa « fanirianay ny hisian’ny tanora maro, hahavita lavitra mihoatra amin’ny talenta ananany sy ny nofinofiny. Koa, omena azy ireo ny tolotra sy ny fitaovana amin’ny tambajotra mifanaraka amin’izany faniriany izany. Ho hampahafantarinay manerana izao tontolo izao ny talentan’ny tanora sy ny aingam-panahin’izy ireo ho an’ny hoaviny sy ny manodidina azy ».
Anisan’ny hanatanterahana ireo voalaza ireo ny fanitarana ny tambajotra, ny fanatsarana ny tolotra rehetra (antso, internety, SMS), ny fampidinana ny sarany amin’ny fakana na famindram-bola Airtel money, ny eSIM, ny The Voice Africa, sns.
Njaka A.