« Hôtel  Colbert » Antaninarenina : novidin’ny fianakavina Vellutini

Miova mpitantana na­nomboka ny alatsinainy teo ny hôtel Colbert, etsy Anta­nina­re­nina.. Novidin’ny fianakaviana Vellutini, ity trano fandraisam-bahiny iray malaza eto an-drenivohitra ity. Ani­san’ny teratany “Corse”, mpandraharaha malaza eo amin’ny sehatry ny kanto sy ny fialamboly ny fianakaviana Vellutini. Ankehitriny, izy ireo no mandimby ny fianakaviana Léoni, nitantana nandritra ny 50 taona mahery ny hôtel Colbert.Sangany eo amin’ny sehatry ny fa­naova­na sakafo sy ny fitantanana trano fandraisam-bahiny eto Madaga­si­kara ny fianakaviana Léoni. Nanana ny toerany manokana izy, niavaka hatrany tamin’ireo sehatra niasany.
Manan-tantara eto amin’ny Renivohitry ny Nosy ny toeran’ny hôtel Colbert. Mi­avaka amin’ny hakantony, indrindra amin’ny maha vakoka ara-kolontsaina azy eto Antananarivo. Nanama­rika va­nim-potoana sy tantara maro eto Antananarivo rahateo ity trano fandraisam-bahiny ity. Araka izany, hitazona sy hitandro ny hasarobidiny ny fianakaviana Vellutini. Tsy ho latsa-danja amin’izany koa ny fanomezana voninahitra hatrany ny tantaran’ny hôtel Colbert.

Fanavaozana

“Henin-kaja sy henim-boninahitra izany mitantana trano fandraisam-bahiny anisan’ny manamarika va­nim-potoana samihafa izany”, hoy i Jacques Fran­çois Vellu­tini, tompon’ny hôtel Colbert. No­tohizany fa zava-dehibe ho azy ireo ny mitantana ity trano fandraisam-bahiny ity, noho izy manan-tantara sy manan-danja eo amin’ny sehatry ny kolontsaina malagasy. Araka izany, hanome lanja hatrany ity trano fandraisam-bahiny ity ireto tompony vaovao ireto. Ankoatra izay, hitondra fanavaozana ao an-toerana ity mpandraharaha ity saingy hi­tazona ireo fotodrafitrasa ara-tantara mampiavaka azy. Ma­namarika dingana vaovao ho an’ny fianakaviana Vellu­tini ihany koa ny fitantanana izao, noho izy mbola mitondra anjara biriky eo amin’ny sehatry ny indostria malagasy.

Henintsoa H.

Partager sur: