Homarihina ny volana jona izao ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hankalazana izany, tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hanonta vola volamena 50 Ar ny banky. “Fomba amam-panao mahazatra eo amin’ny banky foibe sy vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara eo amin’ny firenena iray”, araka ny voalaza ao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra hatrany. Manodidina ny 5.000 isa eo ireo vola volamena
50 Ar hatonta ka ho hita manerana ny Nosy izany, hoy kosa ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray.
Heverina ho tahirim-bola manan-danja indrindra maneran-tany ny vola madinika volamena. Fomba iray hitahirizana sy hiarovana ny vakoka izany, hitahirizana ny volamena sy hahafahana mivarotra azy raha sendra krizy. Na koa fananana tahiry azo ampitaina amin’ny taranaka fara mandimby. Namoaka vola madinika volamena ny firenena iray ho fahatsiarovana na koa hanamarihana hetsika manan-danja iray, na koa mba hampisy lanja azy misimisy kokoa amin’ny maha tahirim-bola azy. Hanana tombam-bidy ara-dalàna, araka ny voafaritr’ity didim-panjakana ity, ireo vola madinika ireo. Ary hamidy araka ny vidin’ny volamena voatondro amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy araka ny fomba azo ampiharina nofaritan’ny BFM ireo vola volamena ireo.
Henintsoa Hani