Seranan’i Nosy Be : andrana amin’ny aro loza

Nanao hetsika andrana fampiharana ny fepetra atao rehefa sendra misy ny loza ny Ravinala airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Nosy Be, ny 15 mey teo. Nanampy nanatanteraka izany i Vincent Robert, teknisiana amin’ny vonjy taitra any amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, any Paris. Anisan’ny natao ny fampiharana ny fihetsika sy ny fomba hataon’ny mpandeha sy ny olon-drehetra eo amin’ny seranana raha sendra lozam-piaramanidina, ny fianakavi­an’ny niharam-boina, ny naratra, ny mpiasa ao anaty fiaramanidina, sns.
Mitantana, mitarika ny foibe hetsika amin’ny vonjy taitra (CDOU), ny prefe-n’i Nosy Be, Ramanamahafahay Malaza. Nambarany fa tsy maintsy fantarina dieny mialoha foana ny tranga tsy azo ialàna. Ao amin’ ny CDOU no miainga ny hetsika sy ny fepetra hatao rehetra. Tena ilaina ny fampiharana andrana, mba hifanaraka amin’ ny lalàna, sady hitantanana tsara ny hetsika rehetra.
Ho an’ny kaomandàn’ny seranam-piaramanidina Nosy Be, Rajaonah Patrick Tefy Antonio, «hampiakatra ny fahatokisana sy hampahomby ny hetsika ataon’ny mpisehatra voakasika rehetra ny andrana fampiharana toy izao».

Njaka A.

Ireo nandray anjara tamin’ny hesika tany Nosy Be

Prefektiora, kaominina, Ravinala Airports, ACM, Vondrona ADP, PAF, CVSF, ladoany, Zandarimaria, Adema, Tafika an-dranomasina, an-tanety, Amarante, CIS, ATOM, Madagasikara Airlines, Tsaradia, Air Austral, Neos, Ethiopian Airlines, MGH, ADRASEC, mpibata entana, sampana fahasalamana.

Partager sur: