Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny famokarana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Betsaka ny vokatsoa azo avy aminy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fizarana traikefa, ny famantarana ny tantsaha iray ary ny asa famokarana ataony.
Nanao sonia fiaraha-miasa telo sosona, nandritra ny fikaonandoha momba ny fampiroboroboana ny ny haitao ara-kajy mirindra, Assises de la transformation digitale en Afrique (ATDA), ny zoma teo, tetsy amin’ny Novotel Alarobia, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana sy fanovana ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE) ary ny fikambanana Agritech. Tanjona ny hanangonana ny loharanon-karena sy fahaiza-manao ary traikefa hanafainganana ny fanavaozana ny tontolo ambanivohitra. Votsindry ao anatin’izany ny fanamorana ny hahazoan’ny tantsaha ny vaovao sy ny fitaovana entiny mampandroso ny asany. Anisan’ny hanampy amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampivoarana ny teknolojia nomerika. Dingana lehibe entina hampiroboroana ny tontolo ambanivohitra ny asa famokarana rahateo ny fanavaozana ireo teknikam-pambolena sy famokarana. Dingana efa vitan’ny Minae amin’izany ny fizarana ny karatry ny mpamokatra, mba hamantarana ny mombamomba ny tantsaha iray. Ao koa ireo tohana efa azony sy ny asa famokarana ataony. Ary ny fanarahana ireo biby hompiany, amin’ny alalan’ny kavina natokana ho amin’izany.
Tombontsoa maro
Tsiahivina fa natao nandritra ny roa andro, ny zoma sy ny sabotsy teo, ny ATDA andiany faha-12. “Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny nomerika, toy ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fifandraisana amin’ny firenen-kafa ary ny ady amin’ny kolikoly”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony. Notsindriny fa mitondra herijika sy tombontsoa maro eo amin’ny sehatry ny toekarena ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra. Nampihena ny vola lanin’ny fanjakana ihany koa izany. Toy ny fihenana hatramin’ny 29.000 tapitrisa Ar ny vola nandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny oniversite manerana ny Nosy raha nahatratra 47.000 tapitrisa Ar izany teo aloha. Nahitana tombontsoa hatramin’ny 16.000 tapitrisa Ar koa ny fampiasana ity haitao ity tamin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana.
“Anisan’ireo firenena manana herijika afaka hiroso amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra i Madagasikara”, hoy ny filoha mpanorina ny fikaonandoha hoan’ny fampivoarana ny sehatry ny nomerika aty Afrika, Mohamadou Diallo. Notohizany fa manana tambajotram-pifandraisana azo trandrahina tsara ihany koa ny Malagasy.
Henintsoa Hani