Mampifandray kaominina: vita ny lalana mampitohy an’Ambalatenina sy Ampisokina

Nahavaky lalam-baovao, lalan-tany 22 km mampifandray ny fokontanin’Ambala­tenina avaratra sy ny renivohitry ny kaominina Andoda­be tonga hatrany amin’ny kaominina Ampisokina, distrika Toamasina II ny fitondram-panjakana. Natao izao mba hampifandraisana ny faritra sy hanamorana ny fampandrosoana ary ny fa­moaham-bokatra any an-toerana. Tom­bontsoa ho an’ny mponina ity fotodrafitrasa vaovao ity noho izy manamora ny fitaterana, indrindra ny fanatonana toeram-pitsaboana. Ny talata teo, tonga tany an-toerana nanolotra ity lalam-baovao ity ny governoran’ny faritra Atsina­nana, Rafidison Richard Theo­dore. Nanolotra soso-kevitra ihany koa ny tenany hikojakojana ny lalana. Mari­hina fa sambany no nisy solontenam-panjakana tonga tao Ambalatenina ankoatra ireo kandidà milatsaka ho ben’ny Tanàna sy solombavambahoaka manao fampielezan-kevitra. Ny talata teo, tonga tany an-toerana ireo milina vaventy hamboatra lalana.

Sajo/Henintsoa H.

Partager sur: