Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona, ny zoma 19 mey teo, ny volavolan-dalàna manavao ny mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Miisa dimy ireo andinin-dalàna ireo, ka anisan’izany ny fitsinjarana ny tamberim-bidy.
Anisan’ny nahitsin’ny loholona ny andininy faha-31, mikasika ny fanomezan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Afaka manome fahazoan-dalana ny filankevitry ny minisitra, na ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany araka ny tolokevitry ny komity ifotony tarihin’ny lehiben’ny distrika any amin’ny toeram-pitrandrahana, na avy amin’ny foiben’ny volamena eto Madagasikara. Nasiam-panitsiana koa ny fitsinjarana ny vola miditra avy amin’ny tamberim-bidy (and.290). Koa, ho an’ny « fonds national de péréquation » ny 10%, ho an’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD) ny 90%, izay mitsinjara, an’ny kaominina ny 60%, an’ny faritra ny 30% ary an’ny faritany ny 10%.
Didim-panjakana raisin’ny filankevitry ny minisitra no mamaritra ny fizarana ny anjaran’ny faritany, mandra-piandry ny fametrahana azy (and 431 bis). Nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa zava-dehibe ny fanatsarana nataon’ny loholona. Nanome toky ny tenany fa hanafaingana ny fampiharana ity volavolan-dalàna ity araka ny fangatahan’ny loholona. Nanamafy izany fampiharana izany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. « Satria afaka hisitraka vokatra maro ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana rehefa mihatra ity lalàna ity, toy ny fananganana fotodrafitrasa, ohatra », hoy izy.
Njaka Andriantefiarinesy