4 jona, andro tondroin’ny fanisanandro gregoriana fa hanamarihana ny « Fetin’ny Reny » amin’ity taona 2023 ity. Tolorana fanomezana ny reny. Hanehoana fitiavana lehibe sy miavaka raha hampitahaina amin’ny fahita sy iainana andavanandro i Neny, rehefa mandalo io fotoana io. Nivelatra fa tsy nijanona tamin’ireo vehivavy niteraka (nahitana masoandro) ihany koa ny famaritana ny hoe « neny » na « reny », hany ka maro ny reny na neny arahabaina. Ao ny reny nitaiza (tsy voatery ho niteraka), reny am-panahy (vehivavy manabe sy mitaiza eo amin’ny tontolon’ny fanahy)…
Tsy niaina endrika ivelany tahaka izany ny fiarahamonina malagasy fahiny. Na izany aza, nohajainy sy nolalainy fatratra ny reny, satria, izy no iainkinan’ny fitohizan’aina. Ny reny na i neny no antoky ny hoavin’ny taranany sy ny fiarahamonina iray manontolo. Tsy azo hadinoina mantsy fa ny reny no mamolavola sy akaiky ny zanaka kokoa noho ny ray (lohan’ny tokantrano), noho izy (reny), tompon’ny tokantrano (tsy miala lavitra ny tokantrano). Izy no tandindon’ny firenena (fototeny : reny) manontolo.
… Noho izany, nanome lanja sy hasina ny reny ny Malagasy. Tsy nasehony tamina endrika ivelany indray mandeha ao anatin’ny taona izany fa niainany isan’andro. Antoka iray naha tsara taiza ny taranaka Malagasy io, fahiny.
HaRy Razafindrakoto