Fizahantany : mpizahatany 1 tapitrisa andrasana ho tonga eto Madagasikara

Nametraka tanjona ny hampiakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga eto amin’ny Nosy ny minisiteran’ny Fiza­hantany. “Tanjona ny hanatrarana 1 tapitrisa mpizahatany ny taona 2028”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Ran­driamandranto Joël, om­aly, teny amin’ny CCI Ivato. Maro ny paikady entina ha­nantanterahina izany, tafiditra amin’izay indrindra ny hetsika International tourism fair Madagascar (ITM), atao ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato. “Mila ampitomboina ny isan’ireo kaompania ana habakabaka miditra eto Mada­ga­si­kara, hampitomboina manaraka izay koa ny toerana handraisam-bahiny. Mila apetraka ny paikady hisintonana an’ireo mpampiasa vola mba hampiasa izany eo amin’ny sehatry ny fizahantany eto Ma­dagasikara”, hoy hatrany ny minisitra. Ankoatra izay, hiavaka ny ITM amin’ity andiany fahasivy ity. Hivoitra mandritra ny efatr’andro ha­naovana izany ny haitao ara-kajy mirindra. Atao izany hampahafantarana an’i Ma­da­gasikara any amin’ireo firenena ivelany, amin’ny alalan’ny ofisy nasionalin’ny fizahantany (ONTM). Lohahevitry ny hetsika rahateo ny fizahantany lovain-jafy anatin’ny haitao ara-kajy mirindra.

Miabo
Miisa 100 eo ny mpandraharaha matihanina eo amin’ny sehatry ny fizahantany andrasan’ny minisitera sy ny ONTM ho tonga mandritra ny hetsika ITM. Miisa 70 isa ireo nisoratra anarana raha 100 mahery ireo naka fanampim-baovao. Antoka lehibe ny fahatongavan’izy ireo, noho izy mivarotra ny destination Madagascar any ivelany. Etsy ankilany, hampiavaka ny ITM ny fanomezana mari-boninahitra ho an’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany mendrika. Eo ihany koa ny fanentanana samihafa, hivory mandritra ireo fotoana ireo ny mpikambana rehetra ao amin’ny “iles vanilles” eto amin’ny fari-dranomasina In­di­anina. Nasaina manokana amin’izany ny nosy Maorisy. Mpitsidika manodidina ny 15.000 eo kosa no handrasana amin’ity hetsika ity. Fantatra ihany koa fa 390 isa ireo tranoheva efa feno saingy mbola mitohy ny fisoratana anarana. Omaly, notontosaina teny an-toerana ihany koa ny fanaovan-tsonia andiany faharoa amin’ireo mpiara-miasa amin’ ny ITM.

Henintsoa Hani

Partager sur: