Hatomboka amin’ity herinandro ity ny fametrahana ireo kaontera 5.000 isa avy amin’ny orinasa Jirama. Andrasana afaka herinandro vitsy kosa ireo 20.000 ambiny sy ny manaraka rehetra. Araka izany, ho tonga eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy ireo teknisiana, ho an’ireo mpanjifa eto Antananarivo izay nahaloa ny “devis” 30.000Ar. Efa misy fahana 10kwh ity kaontera ity miaraka amin’ny taribian-jiro 30m. Eo ihany koa ireo takamoa sy ny prises hahafahana mandefa fahitalavitra sy fitaovana hafa tsy mandany herinaratra. 9 500 Ar isam-bolana kosa ny vidin’ny fahana ho efain’ny mpanjifa mampiasa izany. Ankoatra izay, tokantrano 200.000 isa kosa no hokendrena hisitraka ny tetikasa. “Natao hitsinjovana ny sarambabem-bahoaka ity tetikasa ity”, hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo.
Afakomaly, tonga nijery ireo fitaovana ireo, teny amin’ ny Jirama Ankadiaivo Alasora, ny minisitra sy ny mpikambana eo amin’ny filankevi-pitantanana, Rasolofonantenaina José, ireo tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny orinasa ary ireo mpikamban’ny birao samihafa.
Henintsoa H.