Efa mametrapetraka ny paikady politika mialoha sahady ireo etamazaoro politika any amin’ny faritra Atsinanana. Nampahafantatra ny fijoroany ireo fikambanana telo samy hafa, eto Toamasina tao anatin’ny herinandro, amin’izao hiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Araka izany, notsofin-drano ny 14 mey, tamin’ny alalan’ny fomban-drazana ny vovonana “Plate-forme Ndao kea”. Ivondronan’ireo fikambanana zanaka am-pielezana avy
amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny ary tarihin’i Monja Bernardel na i “Monja Vy”. Zanaky ny faritra Atsimo koa no filohan’ny “Association Jamais Mort”, amin’ny alalan’i Masondahy Landry, nampahafantatra ny fitsanganany ny 21 mey teo. Mbola androtr’io ihany koa ny fanambarana ny fijoroan’ny “Perfect Madagascar”, tarihin-dRanaivojaona Syvia.
Mety ho kandidà filoham-pirenena
Avy any Fianarantsoa kosa izy ary maro anisa mandrafitra ny fikambanana ny avy any amin’iny faritany iny sy ny avy amin’ny finoana katolika. Efa nanomboka heno tamin’ny tsilian-tsofina sy ny loharanom-baovao fa anisan’ireo miomana ho kandidà filoham-pirenena ny mpitarika io fikambanana io ary hotohanan’ny “Association Jamais Mort” izy amin’izany. Mirona ho any amin’ny fanohanana ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny kosa ry Monja Vy sy ny ekipany raha ny heno tamin’izao fananganana ny fikambanana izao.
Sajo sy i Synèse R.




