Samy be kajikajy !

Mitohy…miasa mangina ny raiamandreny am-panahy, mivon­drona ao anatin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Mada­gasikara (FFKM). Miroso tsikelikely ny fanomanana ilay fihaonam­bem-pirenena, hotanterahina ny volana jolay na aogositra ho avy izao. Tanjona ny tsy hisian’ny korontana sy ny mety ho fifampi­hantsiana amin’ny mpifanandrina politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Madagasikara milamina, vahoaka miaina am-pitoniana no tanjona.
Mifanindran-dalana amin’izay, mandeha tsimoramora ny sava lalana mifandraika amin’ny fampielezan-kevitra. Efa eny an-kianja, manao izay mahametimety azy ny olona heverina ho mpifanandrina amin’ny fifidianana. Ny eo anivon’ny fitondrana, misafidy ny tsy mankany an-dafy ny filoha am-perinasa. Mambabo ny fon’ny vahoaka eny ifotony amin’ny fitokanana tsikelikely ny zava-bita. Efa nanamafy rahateo ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, fa tsy maintsy hirosoana ny fifidianana. Azo antoka, araka izany, fa tsy maintsy hanao ranolava ny fitokanana ny asa vita tao anatin’ny dimy taona. Firifiry tokoa ny zava-bita no zary rava alohan’ny fitokanana. Paikady mahomby izay tsy hita ny naharatsy azy, tamin’izay fitondrana nifandimby. Ankoatra ireo, tsy maintsy hisy ny fametra­hana vatofototra, etsy sy eroa. Ho mariky ny fahavononana, hanohy ny asa rahateo izany.
Ny sokajin’olona mbola mitondra fa manohitra satria te hitondra misimisy kokoa, tahaka ny ekipan-dry Mihava Tour dia tsy mampi­tsahatra ny fitetezam-paritra sy ny fametrahana ny fototry ny hery politikan’izy ireo. Hadino sy ataon’izy mpiara-mitolona ho ambanin-javatra ny maha solombavambahoaka mbola am-perinasa azy ireo. Tsy misy tonga manatrika ny fivoriana ara-potoana intsony, fa misa­fi­dy ny mamory vahoaka etsy sy eroa. Anisan’ny ain-dehiben’ny fire­nena anefa ny lalàna mivoaka eny Tsimbazaza. Mariky ny fitiavan-tanindrazana sy fanomezan-kasina ny vahoaka mpifidy.
Samy manana ny kajikajiny ny mpanao politika. Nisafidy ny hangina ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery. Inona no antony ? Tonga tsy re tsaika, zara raha andrenesam-peo. Araka ny tsilion-tsofina mivoaka, anisan’ny fepetra nahafahany mody tsy misy raorao izany. Izy rahateo izay anisan’ny mahazo tohana manokana amin’ny mpila ravinahitra any ivelany na ny Diaspora. Marihina fa mpiantsehatra politika matanjaka sy manana ny tambajotrany ihany koa ireto farany. Milalao any ambadiky ny kianja. Anatin’ny tena ketriketrika tsy azo hamaivanina izy ireo.
Tsy azo tsinontsinoavina ny firehana hafa, manana ny paikadiny.  Iray ihany anefa ny tanjona dia ny handrombaka ny fitondrana. Na izany aza, miankina amin’ny vahoaka, tompon’ny teny farany ny zava-drehetra sy ny hoavin’ny firenena !

r.r

Partager sur: