Nitohy, omaly, ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry ny tao Fianarantsoa. Nosantarina tamin’izany ny famerenana indray ny zotra an-dalamby.
Hiverina hiasa ny volana jona izao ny zotra an-dalamby FCE, hampitohy an’i Fianarantsoa sy i Manakara. “Hitondra tombontsoa ho an’ny toekarena sy ny fihariana izany rehefa niato. Hampiroboroboana ny fizahantany koa izany… Kendrena hitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka ny asantsika, tao anatin’ny efa-taona”, hoy izy. Notsiahiviny fa nametraka sy nanangana fotodrafitrasa mitondra ho amin’ny fampandrosoana miantraika amin’ny vahoaka ny fitondrana. Hisitraka tombontsoa maro ireo kaominina andalovan’ny lalamby, Fianarantsoa hatrany Fitovinany. Eo ny famoahana vokatra sy fitaterana olona ary koa ny lafiny fizahantany. “Maro ireo te handeha lamasinina. Na ny vahiny na ny avy eto an-toerana. Sady efa nahazo lohamasinina “Wagon” vaovao rahateo isika ka reharehantsika izao”, hoy ihany izy.
Fananganana trano fonenana maherin’ny 40 000
Nitohy amin’ny fitokanana ny trano mora ao Fianarantsoa izany avy eo. Nambaran’ny filoha fa natao ho an’ireo manana fidiram-bola nefa mbola manofa trano izany. Ho avy koa ny tetikasa fisitrahana tany ahafahana manorina trano tsikelikely. “Maro ireo maniry hanana trano sy faritra hanana tanàn-dehibe ka hanitatra sy hanao tanàna vaovao isika amin’ny velaran-tany lehibe”, hoy ny filoha. Hanorenana sekoly, hopitaly, EPP, polisy sy lalana izany. Hisitraka izany ireo tanora manana tany ka hatao drafitra mitovy ny trano miorina amin’ izany.
Tsiahivina fa fanambin’ny filoha ny hanorenana trano maherin’ny 40 000.
Synèse R.




