Fanentanana ny mpifidy : mitety tsena sy tanàna ny tetikasa “Haogna”

Eny ifotony. Tetikasa fa­nentanana sy fanetsehana ny tanora, ny vehivavy ary ireo manana fahasembanana handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny “Haogna”. Ani­san’izany ny zotram-pifidianana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa miasa amin’ny distrika 20 amin’ny faritra 11 izy ireo. Anisan’izany Anala­manga, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsina­nana, Boeny, Bongolava, Diana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe ary Sofia. “Manentana ny mponina hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ary hampandray anjara ny tanora mba hisian’ny fitoviana amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fiainam-pirenena izahay”, hoy izy ireo. Fomba fiasa ny fitsidihana isan-tokantrano, mitety vohitra, ary fanentanana eny an-tsena. Miisa 240 ireo mpanentana ka efa nahavita tokantrano maherin’ny 1 000. Mii­sa 500 eo isaky ny distrika ko­sa ireo nentanina. “Tokony hiditra anaty lisi-pifidianana ireo feno taona ary manana hatramin’ny 31 mey izao handehanana eny amin’ny fokontany manoratra ny anarana”, hoy izy ireo. Nitety tsena tao amin’ny distrikan’i Fiana­ran­tsoa ireo mpanentana, afakomaly. Miara-miasa amin’ny Ceni, amin’ny alalan’ny CED sy ireo “Agents Recenceurs” ny “Haogna”, ahafantarana ireo fokontany sy tokantrano tokony hotsidihina. Tsiahivina fa tetikasa tanterahan’ny CEDII, KMF/Cnoe ary ny “Coalition mouvements et leadership féministes” izy io, ary toha­nan’ny Frankofonia (OIF) vola.

Synèse R.

Partager sur: