Faritra Sofia : ben’ny Tanàna 120 nahazo moto

Notolorana moto avokoa ireo ben’ny Tanàna miisa 120 ao amin’ny faritra Sofia, ny herinandro teo. Natao hanakaikezana vahoaka sy hanamorana ny asan’ireo mpitantana ny kaominina ny fitaovana izany, araka ny hafatrafatry ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin.
“Hatsarao ny asanareo. Alaviro ny kolikoly ary omeo ny ilainy ny vahoaka”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa an-dalana ny hahazoana ny fanampiana ny kaominina ny vola fanampiny 30 tapitrisa Ar. Eo koa ny hisitrahan’ny sefo fokontany ny tambin-karamany 60 000 Ar raha 20 0000 Ar kosa ho an’ny lefiny. Tsy misy distrika sy kaominina hadino izany intsony, araka ny nambarany. Nomena bisikleta anjatony koa ireo mpianatra sy mpampianatra mendrika, any an-toerana raha fiara 4×4 ho an’ny distrika.
Nandritra ny lahateny nataony, nanafatrafatra ireo nomena fitaovana ny ministra mpiahy ny Faritra, ny ministry ny mponina Soafilira Princi. Hentitra no nilazany fa : “Natao hiasana sy hifaneraserana amin’ny vahoaka ireo fitaovana ireo ary hanasoavana ny kaominina”, Tsia­hivina fa notoloran’ny minisitry ny Mponina 2 tapitrisa Ar ny fikambanam-behivavy ra­ha nomena 1 tapitrisa Ar avy kosa ireo ireo zokiolona sy ireo manana fahasembanana.

Synèse R.

Partager sur: