Fanavaozana ny lisitry ny mpifidy : an-dalana ny fitsirihana dingana faharoa

“Roa no notazonina tamin’ireo namaly ny antso tamin’irao liana amin’ny fanaovana fitsirahana. Ao anatin’ny fandrindrana ny fomba fiasa hirosoana amin’ny fitsirihana malalaka ny lisitry ny mpifidy izao”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, An­driamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Makasika ny fanaovana fitsirihana dingana faharoa ny lisitry ny mpifidy mialoha ny famaranana tanteraka azy izany.
Fangatahan’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika amin’ny maha Malagasy ny hanao ny fitsirihana. Misy ny komity manokana ahitana teknisianina avy amin’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily. Mifanakalo hevitra ny amin’izay fomba handrindrana sy ny dingana rehetra hatao hahazoana mametraka lamina izy ireo. Tanjona ny lisi-pifidianana madio sy tsy misy olana fandavana na fitsipahana.
Ny avy amin’ny OIF no nisahana ny fitsirihana tamin’ny famaranana vonjimaika voalohany ny lisitry ny mpifidy.
Andrasana ny famoahan’ny Ceni ny tatitry ny OIF

“Mahalasa saina kely ny hoe: inona tao amin’ny fitsirihana dingana voalohany no tokony ho fanatsarana eo anelanelany?”, hoy kosa ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, izay anisan’ny ao anatin’ny komity manokana hanao fitsirihana dingana faharoa. Tamin’ny 23 mey no nanomboka ny fitsirihana dingana faharoa, hifarana amin’ny 7 jona ho avy izao.
Raha ny fantatra, hatramin’izao, tsy mbola eo an-tanan’ny komity manokana ny vokatry ny fitsirihana nataon’ny OIF. Tsy mbola hita ny torolalana tany amin’ny dingana voalohany. Nefa alohan’ny 10 jona ny dingana faharoan’ny fitsirihan’ny OIF. Izay no somary manahirana ny komity manokana: tratra aoriana ny fahatongavana aty an-tananay ny tatitry ny OIF. Tsy fantatra ny dingana vita, ny fanatsarana tokony hatao…

R. Nd.

Partager sur: