“Ho fahadisoam-panantenana lehibe ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo ny hoe firosoana amin’ny fitondrana Tetezamita. Tsy izany no nifanarahana, ary tsy izay koa no voalazan’ny lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny faran’ny herinandro teo. Isaky ny dimy taona ny fifidianana filohan’ny Repoblika, miandrandra fifidianana ny vahoaka. Sady adidy masina no hany lalan-tokana demokratika ny fifidianana.
“Tsy maintsy hanao fifidianana filohan’ny Repoblika isika alohan’ny faran’ny taona. Ilaina ny fanentanana ny mpifidy hanao ny adidy hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy kosa izy, tamin’ny fijerena ifotony ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy teny amin’ny fokontany Mahamasina Atsimo sy Andrefan’Ambohijanahary, izay ambany taham-pisoratana anarana.
“Hitantsika fa efa mandeha ny fanarenam-pirenena amin’izao fotoana izao. Ilaina ny fanohizana ny asa mba hahazoantsika tonga amin’ny hoe fahasambaran’ny vahoaka malagasy”, hoy ihany izy.
R. Nd. sy Nj.A.




