Amina hekitara ny tanimbary potiky ny havandra any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny alakamisy 25 mey teo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny governoran’ny faritra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-karazany, ny sabotsy 26 mey. Nambarany fa hanolotra masomboly ho an’ny tantsaha ny fanjakana malagasy ho fitsinjovana azy ireo. Eo ihany koa ny fanampiana hahafahana manao voly avotra. Nentanina ireo voakasik’ity loza voajanahary ity hanatona ny sefo fokontany sy ny ben’ny Tanàna, hanome ny mombamomba azy rehetra sy ny refin’ny tany novoleny, ny voly natao potiky ny havandra ary ny toeram-ponenany.
Hisy ny fanaraha-maso sy fitsirihana hataon’ireo tomponandraikitra hisorohana ny fanararaotana. Ankoatra izay, nanome toky ireo izay manana famerenam-bola tokony hefainy any amin’ny banky sy ny sampandraharaha ara-bola madinika samihafa, ny governora fa ho jerena manokana izy ireo. Hifampidinika amin’ny banky ity tomponandraikitra ity mahakasika ny olan’ ireo tantsaha amin’io resa-bola io.
Nilaza koa ny governoran’Alaotra Mangoro fa tsy tongatonga ho azy ny havandra fa vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana izay mampiova ny toetr’andro. “Tsy maintsy hamafisina ny fiarovana ny tontolo iainana ary ho hentitra ny sazy ho an’ireo izay manimba izany”, hoy ihany izy.
Henintsoa H.