Tranoheva maro samy manana ny habeny sy mandray karazam-barotra ary vokatra samihafa. Ireo ny hita ao anatin’ireo tsena mitafo miisa roa natolotr’Ambatovy ho an’ny kaominina ambanivohitr’i Ranomafana Atsinanana, ny zoma teo. Hanome toerana azo antoka amin’ny aroloza sady mahazaka mpivarotra 100 eo ho eo ireo tsena ireo. Etsy ankilany, tranoheva mitafo sy mahazaka toeram-pitahirizam-bokatra, vita amin’ny akora ao an-toerana ny mandrafitra ny tsena ao Ambatomanga. “Manome toky Ambatovy fa hanohy hatrany ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny tetikasan’ny fampiasam-bola eo amin’ny lafiny sosialy maro isan-karazany”, hoy ny tale misahana ny fantsomby ao Ambatovy, Eli Atme, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa. Asa goavana sy mafonja ho an’ny fiarahamonina ary ny hoavin’ny firenena ny firotsahana an-tsehatra amin’ny fomba maharitra eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa toy izao, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Henintsoa H.