Minisitra Rabarinirinarison Rindra: « Vahaolana ny fampiroboroboana ny toekarena anatiny »

Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), atao any Egypta, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola malagasy, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Naneho hevitra tao amin’ny gazety boky Ecofin ihany koa izy, nivoaka ny 30 mey teo.

Tsy vaovao aminy ny fitantanana krizy, efa niasa 12 taona tao amin’ity minisitera tantaniny ity. Anisan’ny noresahan-ny minisitra Rabarinirinarison Rin­dra Hasimbelo tamin’ny mpanao gazetin’ny Ecofin, ny tontolon’ny toekarena eto Madagasi­kara, ny hitazonana ny fitomboan-karena, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanodikondinana ny volam-panjakana.
Nambarany fa manaraka ny onjan’ny toe-draharaha maneran-tany i Madagasikara. Toy ny fisondrotry ny vidin-tsolika, ny ady any Ukraine, ny halafosan’ny vidim-piainana. Miankin-doha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany ny toekarentsika no mahatonga ireo.
Nohazavainy koa fa tsy maintsy jerena ny tontolo anatiny, manakana ny fitomboan’ny harinkarena. Toy ny voka-dratsin’ny loza voajanahary, ny haintany mahery vaika, ohatra.

Fitomboan-karena 5,7%

Nomarihin’ny ministra, fa na izany aza, afaka miatrika ireo isika. Hanamarinana izany ny fitomboan-karena 5,7%, ny taona 2021, na teo aza ny krizy covid-19, marin-toerana ny taona 2022, ary vinavinaina ho 4% amin’ity taona 2023 ity. Nahatonga izany ny fanondranana entana sy akora fototra any ivelany, toy ny nikela, ny kobalta ary ny fasimainty. Manampy ireo, manana ny Drafitra ho fisandratan’i Ma­dagasikara (IEM) isika ho an’ny taona 2020-2023. Mi­son­gadina ao anatiny ny fampiasam-bola ho an’ny vahoaka. Maro ny fotodrafitrasa naorina manerana ny Nosy.
Orinasa indostrialy 37

Manoloana ny fanamarihan’ny Banky iraisam-pirenena fa tsy ampy ny fitomboan-karena 4 na 5%, nambaran’ny minisitry ny Toekarena, Ra­barinirinarison Rindra, fa amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny toekarena anatiny no vahaolana amin’izany. Anisan’ izany ny fananganana orinasa indostrialy iray isaky ny distrika (Odof). Niisa 37 ny orinasa mpamokatra siramamy sy lafarina ny taona 2021, vokatra izay nafarana tany ivelany hatramin’izay.
Nasiany teny koa ny vokatry ny loza voajanahary, izay nahatratra ny 4,8%-n’ny harinkarena faobe (PIB) ny tetibidin’ny fahavoazana, ary 1%-n’ny PIB isan-taona, araka ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena. Napetraky ny fanjakana ny drafi-pirenena ho an’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: