Raharaha tao Lalazana : “sambory ny depiote! “, hoy ny havan’ny maty

Vono olona efa nomanina no niseho tany Lalazana, hoy ny fianakavian’ny maty. Miangavy ny fanjakana mba hisambotra ny depiote, ny Kly Martin, izy ireo.

Nivoaka tamin’ny fa­hanginany ny fianakavin’i Dawilly, ilay mpandraharaha vatosoa, ma­tin’ny fokonolona tany La­lazana, kaominin’i Soahin­drana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina lasa teo. “Mbola sahirana tamin’ny fikarakarana ny razana izahay, mbola nidina ifotony ihany koa nijery ny zava-nisy sy naka ny fiara nopotehin’ny olona, ka izay no somary nampangingina anay teo”, hoy Ratôsy. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Fianarantsoa izy ireo, omaly atoandro, nifampizara ny fahitany ny toe-draharaha. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana foibe, mba hisambotra ny depiote voafidy tany an-toerana, ny kolonely Martin. Ho azy ireo dia fositra, nampirisika ny vahoaka hamono ny havany ity olom-boafidy ity. Nambaran’izy ireo tamin’ny fanazavana fa nilaza ity solombavambahoaka ity fa : “Ataovy amin’ny fanaovana azy fa hampangalako polisy sy zandary haka ny fatiny”, nandritra ny resaka an-telefaonina nataon’ny filoham-pokontany taminy. “Na­tao henon’ny besinimaro ny fifampiresahana teo amin’ireo tomponandraikitra roa ireo”, hoy hatrany ny fianakavian’i Dawilly. “Misy vavolombelona izany”, hoy izy ireo.

Avo lenta
“Fisolokiana avo lenta, ataona tambajotra goavana miasa manerana ny Nosy io. Misy ireo mpanao afera milaza fa manana merkiora, milaza ho manana vato sarobidy. Nampanantenaina vatosoa any anaty lava-bato ny rahalahinay, ka ho lasa miliaridera, raha mahita izany. Na­nana eritreritra ny mba hisera irery izy. Noho ny maha zazavao azy anatin’ilay fandraharahana vato anefa dia tafiditra tanatin’ny haraton’ny mpisoloky izy”, hoy i Njara sy Ratôsy, nanomboka ny fitantarana ny zava-nisy. “Mbola nanafatra vola tamin’ny zanany vavy tany an-drenivohitra izy, ny sabotsy, hakana ny entana any Andoharano­maitso. Nataon’ny mpisoloky izay fomba nampitarazohana ny fidinana any amin’ny kariera, mba ho andro alina ka moramora ny fanatanterahana ny tetika maizina”, hoy izy ireo. Nasain’ny mpisoloky nitondra toaka sy jus hanaovana fombafomba mba hahazoana ilay vato ireto lasibatra. “Efa-dahy no niara-niainga teto Fianarantsoa, naka olona roa teo Ankidona izy ireo: ny iray zanaky ny olona milaza fa mahita ny vato avy any An­doharanomaitso, voalaza fa mpimasy ny iray. Niara-nanjavona, tsy nisy naratra ireto farany rehefa nandeha ny fa­monoana ny efa-dahy ambiny”.

Tsara omana
Ho an’ny fianakaviana, efa maty paika ny fisolokiana sy ny fampiomanana ireo fokonolona tao Andrano­maitso hikoka (hiantsoantso). Nasesika tao an-dohan’ny fokonolona fa misy mpangalatr’olona mihaodihaody sy tonga ao an-tanàna. “Efa nampandrenesin’ireo atidoha nikotrika ny fisolokiana sy ny vono olona ny fokonolona fa misy fiara tahaka izao ho avy any. Nampidirina tanaty lalana tsy nahafahana nanavotra aina ny rahalahinay. Tsy nisy azo nialana nenina fa rehefa nivadika ilay olona tokony ho nohatonina dia ireny no niaraha-nahita”, hoy hatrany izy ireo.
Diso ny filazan’ny Kly Martin
“Raha hangalatr’olona ny havanay dia any Lalazana ve? Fa karazan’olona toy ny ahoana ny any ka hoe hangalarina? Diso ny zavatra notenenin’ny depiote. Ireo roa lahy niaraka tamin’izy ireo anefa tsy hita fa ny havanay maty. Raha tsy nisy ny baiko nataon’ny Kly Martin, tsy nisy ny famonoana”, hoy izy ireo.
“Mampalahelo sady ma­hamenatra ny fanapahan-kevitra noraisin’ity kolonely ity tamin’ny nampaniraka ireo olona hanao fitsaram-bahoaka. Izy rahateo koa anefa mpanao vato”, raha ny fanazavana.
Nohitsin’ny fianakavian’ny maty fa mahafantatra tantara marobe momba ny Kly Martin izy ireo, amin’ny resaka fanaovam-bato. “Matoa izy sahy miteny hoe ataovy amin’ ny fanaovana azy, efa nitsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy koa. Raha eken’ny fanjakana ny fitsaram-bahoaka dia hosintoninay ny fitoriana napetrakay”, hoy izy ireo. “Fi­hetsika tsy mendrika ny mpitondra izany satria tsy nahavita nidina nanao fanadihadiana izy kanefa akaiky ity toerana nitrangan’ny fitsaram-bahoaka ity. Ianao ve olom-boafidy dia mahasahy miteny hoe vonoy nefa ilay olona tsy nangalatra sady tsy hitanao akory. Nahoana no miaro olo-meloka toy izao ny fanjakana?”, hoy ny nama­ran’ny fianakaviana ny an­tson’izy ireo.

Soratra : Jean Claude
Sary : Claude Razafimahandry (mpanao gazety Fianarantsoa)

Partager sur: