Fihariana : mbola ambany ny fanjifana ronono

Anisan’ny sakafo mitondra otrikaina maro isan-karazany ny ronono. Mbola ambany anefa ny tahan’ny fanjifana izany eto Madagasikara. “Manodidina ny 16 litatra isan’olona, isan-taona izany, raha 40 litatra isan-taona, isan’ olona ho an’i Afrika ary 200 litatra isan’olona, isan-taona ny any Eoropa”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Nankalazaina ny alakamisy teo, teny amin’ ny EPP Ambohimiandra, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny ronono. Nanome voninahitra izany ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana sy ny Malagasy dairy board (MDB). Nambara tamin’izay fa an­isan’ny seha-pihariana hatao laharam-pahamehana ny ronono. Maro ihany koa ny paikady entina hampiroboroboana izany. Ao ny fanafarana ireo omby vavy be ronono (Mombeliard sy Normande), izay efa nahitana vokatra. Efa nahazoana zanak’omby 80 mahery ireo omby vavy ireo. Eo ihany koa ny fambolena vilona ho sakafon’ny biby. Tsy zarizary ny vokatra ronono raha tsy ara-kalitao ny sakafon’ny biby.

Anisan’ny paikady napetraka ny fambolena vilona amin’ny velaran-tany 800ha eto Madagasikara.

Henintsoa H.

Partager sur: