Valalabemandry… valaka be miandry

Tsy misy jamba toy izay minia mikimpy, hono. Tsy mahita mbamin’ny mason-tsainy? Amin’izao famaramparanan’ny mpitondra ny fe-potoam-piasany izao, manaiky sy miaiky ny maro fa misy ny zava-bita eo amin’ny fanorenana fotodrafi­trasa: sekoly manara-penitra, hopitaly, tsena… Tsy misy distrika hadino. Mba manao ahoana kosa ny vahoaka amin’ izany? Ny fomba fiaina amin’ny fisitrahana ny asa vita, ny fiainana ho amin’ny tsaratsara kokoa, ny fanantenana ny hoavy…
Ny vahoaka ny antom-pisian’ny fitondram-panjakana: mi­sitraka ny asa, mitsara… Mby aiza izany rehetra izany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao? Ny vahoaka no hoe tompon’ny teny farany. Tena aiza ho aiza marina, ohatra, ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka amin’izay hoe tsy misy distri­ka hadino izay ? Mampikaikaika ny vahoaka ifotony amin’ izao, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’ny asa, ny ady tany… Misy drafi­trasa fototra?
Izay fihatsaram-piainana mivantana tsaroan’ny aina izay no tena andrandrain’ny vahoaka ifotony, hitsarany ny mpi­tondra amin’ny fifidianana? Misy tsy mahatsapa inona sy tsy mahajery lavitra amin’izay soa iombonana entin’ny foto­drafitrasa… fampandrosoana. Izay no maha zava-dehibe ny sosialim-bahoaka, efa nanapahan’ny fitondram-panjakana hevitra rahateo fa atao laharam-pahamehana; eny, na eo aza ny fanohizana fanorenana fotodrafitrasa. Mby aiza? Hitsara ny vahoaka…
Misy mahita ka milaza fa ratsy endrika eo anatrehan’ny vahoaka ny mpitondra, raha tsy miaina izay hoe fampandro­soana atao aminy izay ny vahoaka ifotony. Tena araka ny hetahetam-bahoaka sy laharam-pahamehana aminy ve, ohatra, no imasoana sy atao? Eo ny vahoaka mahita, mandinika, mitsara… Tsara ny mahavita zavatra sy na aiza na aiza. Mba manao ahoana kosa ny fiainam-bahoaka amin’izany? Mety hanova zavatra amin’ny fifidianana raha tsy voatandrina…
Na izany aza, eo ihany ny hoe valalabemandry tsy miandry fotsiny izay atao aminy, fa mila mihetsika ihany koa: miasa, mihevitra, mijery lavitra… Efa tena tsy afa-manoatra ka miandry fanjakana? Na valaka be ihany amin’izany… Misy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fampanjakana fandriam­paha­lemana, ohatra, fanomezana tany, fitsaboana, fampia­narana… Tsy mbola tena mahahenika ny rehetra? Na tsy mahalasa lavitra, tsy maharitra… Eo ny vahoaka hitsara sy hanambara.

R. Nd.

Partager sur: