Axian- Campus 42: sekoly informatika maimaimpoana

Misokatra eny amin’ny oniversite Axian, eny amin’ny Galaxy Andraharo, ny toeram-piofanana campus 42 Antananarivo. Fampianarana sy fampiofanana maimaimpoana mikasika ny informatika sy ny niomerika. Fire­nena fahefatra manana ity toeram-piofanana ity, aty Afrika i Madagasikara. Ni­la­­­za ny talen’ny fampianarana 42 any Paris Frantsa, Olivier Crouzet fa tsy ampy betsaka ny olona mahay informatika eo amin’ny tsenan’ny asa. Maro ny tinady, ny orinasa mitady mpiasa ma­hay informatika. Izay no mahatonga izao fampiofanana maimaimpoana ataon’ny campus 42 Antananarivo izao.

Hisy sivana sy fitsapana hatao amin’ny telovolana fahefatry ny taona 2023. Hanomboka ny taona 2024 ny tena fiofanana ho an’ny mpianatra miisa 124. Tsy anavahana taona, tsy mila fari-pahaizana. Raha vao 18 taona no ho mihoatra dia raisin’ny oniversite.

Njaka A.

Partager sur: