Hajao ny an’ny tena !

Manomboka mivolon’andro asaramanitra ny eto an-tanàna. Mihatomotra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Efa manakoako ny tsipoapoaka. Manomboka mihofahofa ny sainam-pirenena na tsy mbola marisika amin’ny fananganana izany aza ny maro. Eto indrindra no mba hisintonana ny sain’ny olom-pirenena tsirairay. Taratry ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina, fanehoana ny maha izy azy, ilay maha Malagasy. Ankoatra izay, zava-dehibe mariky ny fiandrianam-pirenena.
Mahavariana anefa, zara raha mazoto ny olom-pirenena ankehitriny. Maro ny antony voizina etsy sy eroa saingy ny azo ambara, fanaovana tsinontsinona ilay Madagasikara izany. Toa baikoin’ny hevitra politika maloto ilay fihetsika hany ka ilay hasina maha Malagasy no takona. Tsy ny mpitondra fanjakana no omem-boninahitra amin’ny fananganan-tsaina. Na inona na inona disadisa politika, na inona tsy fahombiazan’ny mpitondra ka maha farahidiny ny vahoaka tahaka izao dia mazava. Mijanona ho tanindrazan’ny Malagasy foana i Madagasikara.
Tsy vitan’ny hambom-po diso toerana ny fomba fanehoam-pitiavana ny tanindrazana. Tsy maintsy ampirimina ny hevitra tsy mitovy. Tokony ho iray ihany ny tanjona dia ny fampandrosoana ny firenena. Olana iray, mivadika ho krizy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fizarazarana mirona amin’ny fanohanana olona. Tsy misy fizahana foto-kevitra sy zava-bita, fa mijanona amin’ny halako bika tsy tiako tarehy.
Na mpanohitra na mpitondra, samy manana izay hambohambo diso toerana izay, hany ka ilay fo mitempo fitiavana an’i Madagasikara no mihidy ho an’ny ankamaroan’ny olona. Manampy trotraka ny fampirisihana ataon’ny sasany, mba hikomy an-kitsirano hamadika ankolaka ilay tanindrazana iaraha-manana. Ny fanehoam-pitiavana faran’izay bitika aza ity tsy misy manao.
Fotoana anefa ny vanim-potoana ankatoky ny fanamarihana ny fiverenan’ny fahaleovantena tahaka izao, mba handinihan-tena. Na heverina ho mbola sarintsarim-pahaleovantena aza no misy, rariny sy hitsiny raha manasongadina ny maha izy azy ny tena ombieny ombieny. Tsy sarotra ny manangan-tsaina. Finiavana tsotra sy fanamafisana ilay fahaiza-miaina no tena zava-dehibe.
Antso avo no atao, antitranterina ny fanentanana mba samy ho resy lahatra amin’ny fananganan-tsaina. Resy tsy miady isika Malagasy raha manaiky ho ampifendrofendroin’ireo olom-bitsy, mahazo tombontsoa amin’ny fahaverezan-kasin’ity tanindrazana malalantsika ity.

r.r

Partager sur: