Tsy mbola mifarana akory ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana momba ny raharaha vono olona tany Lalazana ambony ka nahafaty ireo mpanao aferam-bato telo mirahalahy, 10 andro lasa izay. Mbola hisy ny fisamborana andiany faharoa, hakana ireo nandray anjara kanefa nitsoaka rehefa nanao bemidina ny mpitandro filaminana. Miandry ny datin’andro handehanan’ny fitsarana kosa ireo naiditra am-ponja vonjimaika, ao Fianarantsoa, nanomboka omaly vao maraimbe.
Anisan’ny andrasan’ny mpanara-baovao maro ny momba ilay solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Ity farany izay ampangain’ny ankamaroan’ny voampanga ho anisan’ny voarohirohy ihany koa. Toa efa nisora-tena ho mpanome baiko ihany koa izy, nandritra ny ranty nataony tao amin’ny tambajotran-tserasera “facebook”. Manamafy izay ny fanambarana nataon’ny fampanoavana ambony ao Fianarantsoa.
Inona ary no hiseho? Ho sahy hanenjika ity olom-boafidy ity ve ny fitsarana malagasy raha feno ny fepetra ilazana fa voampanga izy? Ny solombavambahoaka, voatonontonona rahateo, tsy nandrenesam-peo intsony, taorian’ny fanambarana ampahibemaso natao ny talata heriny lasa teo. Azon’ny lalàna enjehina rahateo anefa ny fampirisihana hamono olona sy hanao fitsaram-bahoaka. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha satria zary kolontsaina, mahazatra eto Madagasikara ankehitriny, ny fanaovana mizana tsindrian’ila amin’ny fampiharana ny lalàna.
Na izany aza, misy ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny fisamborana itony olom-boafidy itony. Tombony ho azy ny fananana ilay zo tsimatimanota sy tsy azo enjehina raha tsy tratra ambodiomby. Mbola mitombina anefa ve izany, amin’ny tranga tahaka itony? Tsy maintsy misy rahateo ny fahazoan-dalana omen’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Antenimierampirenena vao azo samborina na ampanantsoina hanaovana fanadihadiana ny depiote iray.
Tsy mino ny hisamborana ny solombavambahoaka ny ankamaroan’ny olona. Mifampiaro sy mifanafina ny ratsy atao ny manampahefana eto Madagasikara. Natao ho ana sokajin’olona marefo ny fampiharana ny lalàna, na feno aza ny porofo. Mbola mijanona ho piliavava fotsiny ny hoe tan-dalàna eto Madagasikara, ka asa izay hiafaran’ny tantara?
r.r