Ilaina ny fandinihan-tena

Trangam-piarahamonina iray nanaitra tamin’ity herinandro ity no andeha horesahina. Miditra anatin’ny vanim-potoanan’ny fanadinana ny ankamaroan’ny sekoly, indrindra ny sekoly tsy miankina. Misy amin’ny mpianatra anefa no tsy afaka niatrika izany noho ny antony samihafa. Antony iray tena nanaitra no hasiana tsindrim-peo: ireo ankizy navoaka ny efitrano ka nalefa nody, satria tsy nahaloa saram-pianarana. Niteraka ady hevitra tetsy sy teroa izany. Nizarazara ny hevitra noho ireo zaza tsy afaka namarana am-pitoniana ny taom-pianarana.
Iza anefa no homen-tsiny? Iaraha-mahalala ny zava-misy ankehitriny. Latsaka anaty fahantrana lalina ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Zara raha mahita vola miditra ny isan-tokantrano. Misedra olana tahaka izany ihany koa ny tompon-tsekoly izay manana adidy, amin’ny fandoavana ny fandaniana sy ny karaman’ny mpiasa. Mazava rahateo ny fitsipiky ny sekoly, izay nosoniavin’ny ray aman-dreny vao nanomboka ny taom-pianarana, mahakasika ny fandoavana ny saram-pianarana. Rariny sy ara-dalàna ny azy ireny raha mandefa ny zaza mody rehefa misy ny tsy fanajana ny fifanarahana sy ny lalàna mifehy ny sekoly.
Tsy tokony hialokalofana sy hitsetserana ny zavatra tahaka izany. Mila miezaka ny ray aman-dreny amin’ny fanefana izay adidy tokony hataony amin-janany. Ekena fa eo ny fahasahiranana, saingy zava-dehibe ny famitana ny andraikitra tokony hovitaina. Tsy sanatrian’ny vava fanaovana tsindrio fa lavo ny fepetra raisin’ny sekoly, fa matoa mampiana-janaka dia vonona ny hanaja ny lamina. Tsy ampy ny fimenomenomana sy fifanomezan-tsiny amin’ny fiainana fa mila fahatsapan-tena goavana. Tsy misy olona tsy manana olana fa ny finiavana hiala amin’izay mangeja no zava-dehibe. Tsy vahaolana ny fanilihana ny rihitra any amin’ny hafa. Mahavariana mihitsy ny mahita ireo ranty ataon’olona mahakasika izany amin’ny tambajotran-tserasera. Kanefa any ve no mahavaha ny olana?
Zavatra tsapa manoloana ny toe-javatra tahaka izao ny tsy fanomezan-danja intsony ny maha olombelona afaka miresaka. Faly mitady olona ho tomponandraikitra amin’ny zavatra tsy mandeha ny ankamaroan’ny olona. Miaina anaty onja miiba ka mitady fomba hifamotehana. Inona anefa izao no olana, raha mba mifampiresaka? Ny tsapa, tsy manana ilay fahaiza-manetry tena hitari-dresaka fa mihenahena sy te hitsetserana ny Malagasy, andaniny. Mitady hirika hanomezan-tsiny sy hamotehana izay mba lasalasa, tarihina midina hitovy amin’ny tena efa tsy afa-manoatra, ankilany.
Raha fehezina, very ny soatoavina maha tompo­nandraikitra ny tsirairay amin’ny fiainany sy ny hoaviny. Zary kolontsaina manimba ilay fiankinan-doha sy miandry ho toloram-potsiny, ary tsy te hisahirana. Mila mandini-tena ny Malagasy!

r.r

Partager sur: