Mitambontsi-pandry ny zavakanto malagasy. Saika ahatazanana io tranga io ny ankamaroan’izy ireo, indrindra eo amin’ny kalitao. Maika loatra ? Ny fahamehana eo ihany fa ilay fomba nahatongavana eo amin’ny toerana maha «mpanakanto» no hafahafa ! Tsara ny mianatra mozika, kabary, hosodoko, sns, fa hadino ny mitazana na mamantatra ilay mampita fahalalana. Manana fahalalana ny amin’ny kanto ampianariny tokoa ve ireny mpampianatra ireny ? Manana ilay fahaizana ahafahana mampita fahalalana ihany koa ve ?
Amin’ny ankapobeny, tsy sarotra valiana ireo fanontaniana ireo raha miainga avy any amin’ny vokatra azo. Mpikabary manao tsianjery. Mpitendry zavamaneno voatery anaty lasitra iray. Mpandihy tsy afa-mamorona. Mpanao hosodoko zary mpaka tahaka fotsiny… Ampahany amin’ny zava-misy ihany ireo.
Tsy zava-mora ny mampianatra satria miantoka ny hoavin’ny olona iray na maro. Tsy zava-maivana ihany koa ny zavakanto satria mikitika na mahakitika ilay fanahy maha olona. Noho izany, tsy izay te hampianatra dia mampianatra. Mety tsy mahatsiaro ho tompon’andraikitra ireny mpampianatra ireny. Noho izany, ireo maniry ny hianatra no mila mijery sy mitazana ary mandinika tsara, mialohan’ny hianarana !
HaRy Razafidrakoto