Hanao ahoana ity raharaham-pirenena ity? Mampanontany tena ny sasany, mampiroaroa saina, mampanahy… Hisy ihany ve, ohatra, ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity? Na hiditra amin’ity hoe Tetezamita… Tsy ampy ny fanazavana? Na tsy maharesy lahatra, tsy arakaraka ny zava-misy sy ny atao izay lazaina… Lasa mahabe resaka amin’izao ny tsy famoahan’ny governemanta ny didim-panjakana fihaikana mpifidy, na efa mazava izao aza fa manam-potoana hatramin’ny 9 aogositra, raha tazoniny ny tolo-kevitry ny Ceni hoe amin’ny 9 novambra ny fifidianana fihodinana voalohany.
Mampitsanga-mitoetra koa ny amin’ny vola enti-manana izay fifidianana izay? Eny, na eo hatrany aza ny fandaminan’ny mpanatanteraka ny amin’izany. Manampy trotraka ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena tsy hita be ihany: arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha ny hataony na arakaraka izay hataony no hampivoatra ny raharaha? Adihevitra be izay. Tsy inona fa amin’ity hoe fitsabahan’ny vahiny ny raharaha anatiny eto amin’ny firenena ity. Ho tonga hatraiza? Efa izy ny hoe fiantsoana antoko politika hifampidinika sy hampanao sonia satan’ny fitsipi-pitondrantena mialoha ny fifidianana.
Tsy mahalala sy tsy mahay izay tokony hataony ny Malagasy, indrindra ny mpanao politika? Na tsy mifampatoky, samy te ho lohany, tsy mety na sarotra alamina… Tsy mahagaga raha sahy mitsabaka ny vahiny amin’ny hoe fitantanana, fanoroana lalana, fabaikoina, fanerena… Politika io, arakaraka ny fifandanjan-kery sy ny tombontsoa iadiana na arovana. Samy miady ny azy? Mby amin’ny filazan’ny mpandinika sasany hoe: raha ny marina, tsy i Madagasikara no mila ireo firenen-dehibe, fa izy ireo no mila na miady an’i Madagasikara. Ahoana moa izany? Manankarena i Madagasikara, fa ny vahoaka no mahantra.
Amin’izao toe-draharaha izao, aiza ho aiza ny tena? Eo ny fiatrehana fifidianana, ny fankalazana ny Fahaleovantena, ny fanaovan-tsonia ity hoe satan’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko, ny fifampidinihana karakarain’ny FFKM… Hitondra inona eo amin’ny fiainan’ny firenena sy vahoaka avokoa izany? Mila mandini-tena hahalalana ny hafa, na mandinika ny hafa hahalalana tena. Ahoana ihany izy ity? Iza na inona no tena fositra na fototra? Mandra-pahoviana izao… ? Tsy mety ho afa-bela, sasatry ny miarina, tsy mahazo antoka ny hoavy… Fotoana fandinihan-tena izao, fanapahan-kevitra…
R. Nd.