Efa eny Ambohimanambola ary azo ampiasaina ny solika mavesatra avy any Toamasina. Tanteraka izany taorian’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny orinasa LPSA ary ny mpitatitra solika. Mbola mitohy ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina, ka hanomboka hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra ato anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).
Nanazava ny tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra, Ramaroson Marcel, fa tara ny fahatongavan’ireo kamiao mpitatitra avy any Toamasina, nahatonga ny famatsiana herinaratra tsy niverina tamin’ny laoniny ny zoma 9 jona teo. Nomarihiny koa fa delestazy ekonomika ireny natao ireny, satria noho ny tsy fisian’ny solika manodina ny milina mamokatra herinaratra. Hafa ny delestazy teknika, vokatry ny fahasimban’ny fitaovana, ohatra.
Njaka A.