Hany orinasa afaka maninjara sy mivarotra ny finday Smartphone Itel A60 ny Telma. Vokatra vaovao atolotra hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa izany, hita manerana ny toeram-pivarotan’ny Telma rehetra manerana ny Nosy. Tanjona ny hahafahan’ny Malagasy rehetra mampiasa ny niomerika sy ny fivoaran’ny teknolojia.
Nilaza Rabefitia Riantsoa, tomponandraikitry ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Telma, fa « mamaly ny filàn’ny mpanjifa sy ny Malagasy rehetra izao fanomezana tolotra vaovao izao, ampiasana ny fifandraisana 4G, ary tsy ho ela ny 5G ready. Fanitarana sy fanapariahana izany no antony namoahana ny finday A60 ho an’ny mpanjifa ». Natao, omaly ny fifanarahana teo amin’ny Telma sy ny marika Itel.
Avo lenta manaraka ny hiaka farany ny Itel A60. Manana firaketana 32 Go, azo hitarina ho 128 Go, ary 2 Go ny Ram. Hisy fanomezan’ny Telma fahana data 2 Go avy hatrany ho an’ireo mividy ity finday ity eny amin’ny Telma Shop, manerana ny Nosy. Efa 10 taona teto Madagasikara ny marika Itel.
Njaka A.