Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona indray teny Ambodisaha Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Olona roa nandeha moto nifatratra tamin’ny taxi-be, maty ny iray.
Nampihoron-koditra ! Izay no azo ilazana ity lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambodisaha Imerintsiatosika ity. Tovovavy roa nandeha moto hiakatra aty an-drenivohitra no nifatratra tamina taxi-be iray zotra G Imerintsiatosika. Mafy ny fifandonana satria maty tsy tra-drano ilay teo ambony familiana, raha naratra mafy kosa ilay niaraka nandeha moto taminy. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, vaky ny lohany ka niparitaka ny atidohany. Nisy fiara 4×4 iray teo alohan’ireo niharam-boina, nikasa hisongona izany izy ireo kanjo notsenain’ilay taxi-be hihazo an’Imerintsiatosika, araka ny fanazavana voaray amin’ny zandary. Tampoka ny fihavian’ny loza satria tsy nampoizin’izy ireo ny fisian’ilay taxi-be nifanehatra taminy. Mafy ny fifandonana satria nipitika avy eny ambony moto izy roa vavy. Ny iray torana tsy nahatsiaro tena raha namoy ny ainy kosa ny iray. Niongotra mihitsy koa ny fitoeran’entan’ilay taxi-be nifandona tamin’izy ireo. Samy nahitana fahasimbana avokoa na ilay taxi-be na ilay moto. Mipetraka eny Imerintsiatosika ihany ireto niharam-boina ireto. Tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana ny zandary sady nanampy tamin’ny fandaminana ny fifamoivoizana noho ny fisian’ity loza ity. Nalefa notsaboina haingana eny amin’ny hopitaly HJRA kosa ilay naratra. Anisan’ny lalana matetika ahitana lozam-pifamoivoizana iny lalam-pirenena voalohany (RN1) iny. Malalaka ny lalana ka misy amin’ireo mpampiasa lalana (na fiara na moto) no alaim-panahy mampiakatra ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra.
J.C