Fetin’ny Fahaleovantena : hatevenina ny fitandroana ny filaminana

Nivory ireo vondron-kery telo samihafa, mivondrona ao amin’ny Emmo manerana ny Nosy, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava izy ireo nandritra izany. Nanaova­nan’izy ireo tatitra mikasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny fahaleovantena hoa­vy izao. Teo koa ny fanaovana ny tomban’ezaka eo anivon’ireo EMMO-REG, EMMO-FAR manerana ny Nosy. Nambaran’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, jene­ra­ly Rakotondrazaka An­dry, fa : “mba ho fankalazana ao anatin’ny filaminana sy fitoniana amin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantena, ny tanjona”. Ni­voitra nandritra izany fa hatevenina ny mpitandro ny filaminana hanara-maso ireo fankalazana rehetra manerana ny Nosy. Ahetsika ihany koa ireo hery vonjitaitra amin’ireo tanàn-dehibe isan-karazany, indrindra ny Renivohitry ny faritra. Ahetsika toy izany, ny vonjivoina rehetra, mba ho vonona lalandava amin’ny loza mety hitranga tampoka (lozam-piarakodia, trano may…). Efa nisy ny fanomanana amin’izany rehetra izany.

Azo antsoina andro sy alina
Manana ekipa mpiandry raharaha izy ireo ary azo antsoina andro aman’alina. Raha sendra misy trangan-javatra tsy ampoizina na trangana tsy filaminana, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fety. Nambarany fa : “raisina ho zava-dehibe ny fametrahana ireo paikady ireo satria andro manokana isan-taona ny fetin’ny 26 jona”. Mirary ny Malagasy rehetra mba hanao fety sambatra, mandritra ny fankalazana ny 26 juin 2023, izy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: