Mampanahy ny korontana

Tetezamiitatra e ! Fifidianana e ! Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny vahoaka variana miady amin’ny fiainana, ry mpanao politika mitady ny fomba hahazoana fahefana misimisy kokoa. Ny mpanohitra sasany, mitady hirika mba hidirana anaty fitondrana, ny efa nahazo toerana sasany te hifikitra. Tsy mahagaga raha samy ahitana vondrona na antoko, mitady ilay Tetezamita ny andaniny sy ny ankilany.
Torak’izany ny mitady ny fomba rehetra hanaovana ny fifidia­nana. Samy ahitana antokon’olona mivoy izany koa ny andaniny sy ny ankilany, ny roa tonta. Ny indro kely, tsy mbola mivoaka mandrak’ izao ny datim-pifidianana tena izy fa mbola tolo-kevitra no nisy. Tsy misy antoka mazava fa hisy ilay fifidianana na tsia. Ny zava-misy aza toa mampanahy ny hiseho. Efa volabe no lanin’ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Ity farany izay mbola mikai­kaika amin’ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Dia mankaiza izany ny zotra arahan’ny vahoaka malagasy sy ilay tanindrazana malala ity.
Ny zava-misy aloha, tandindonin-doza ny firenena. Manambana ny endrika korontana isan-karazany. Efa nanomboka tamin’ny fifam­pihantsiana tamin’ny lahateny ifamaliana izany. Nitohy amin’ny fifanosehana, misary fikasihan-tanana. Mivadika ho filalaovana lalàna indray izany amin’izao fotoana izao. Mifamely fantsy amin’ny resaka zom-pirenena amin’ny mpitondra sy ny lohandohan’ny mpisorona amin’ny fanoherana. Samy mitady hirika ny hampidara­boka izay azo hadaraboka aloha ny ankolafy rehetra. Na vazaha na tsy vazaha, ny fampiharana ny lalàna no tena zava-dehibe. Ilaina mazava ny tena marina amin’ny fiainan’ireto mpanao politika ireto.
Ny angom-baovao avy amin’ny tomponandraikitra isan-karazany efa milaza fa mampanahy ny raharaham-pirenena. Mila miomana, araka izany, ny olom-pirenena mba tsy ho voafitaky ny zava-misy sy izay tranga hiseho. Ilaina ny fahamalinana amin’izay endri-panentanana ataon’ny mpanao politika ka tsy handrorana miantsilany. Ny madinika hatrany no mizaka ny mangidy sy mafaitra, indrindra raha misy ny korontana. Zava-doza ho an’ny vahoaka ny fisian’ny krizy, fa ny mpanao politika mbola afa-miala bala, afaka mifindra monina. Tsy vitan’izay fa mbola migoka tombontsoa manokana, rehefa lasa mpialokaloka politika. Sady mihinana ny azony teto an-tanindrazana no mbola voaaron’ny lalàn’ny firenena hampiantrano azy. tsy azo hamaivanina izany, mila fitandremana.
Tsy mendrika fahoriana fanampiny intsony ny Malagasy. Efa mangidy ny zava-misy zakainy ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao. Miandry fifidianana sy rindran-damina vaovao ny Malagasy.

r.r

Partager sur: