Fifidianana: mbola mila mpanara-maso 15 000 isa ny Safidy

Niantso mpilatsaka an-tsitrapo. Naneho fahavononana amin’ny hanaraha-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny biraon’ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana na SAFIDY, teny Ambatonakanga.

Nivoitra tamin’ny fa­nam­barana nataon’ity vondrona mpanara-maso ny fifidianana ity ny antso ho an’ny olom-pirenena hilatsaka sy handray andraikitra an-tsitrapo sy tsy misy tambiny ho mpanara-maso ny fifidianana. Tsy ampy ny isan’ny mpanara-maso eo anivon’ity vondrona ity. 5 000 no isan’izy ireo, raha 15 000 isa no ilaina ao anatin’izany. Tanjona ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.

Manao antso ho an’ny olom-pirenena, hirotsaka an-tsitrapo sy handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ny vondrona Sa­fidy. Efa vonona hanara-maso biraom-pifidianana manodidina ny 10 000 isa ity vondrona ity ary mpanara-maso manodidina ny 5 000 no efa vonona amin’izany.

Marefo ny lisitry ny mpifidy

“Ny faharefon’ny lisitry ny mpifidy nohavaozina, ny fitomboan’ny fiantsiana sy fifanenjehana ara-politika, ny fahateran’ny fahafahana ma­neho hevitra, ny zava-misy iainan’ny rafitra mpikarakara ny fifidianana. Ireo rehetra ireo no iantsoany ny olom-pirenena handray ny andraikiny amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana”, hoy ny tompon’andraikitry ny vondrona Safidy. Olon-tsotra hanara-maso ny fifidianana eo amin’ny fokontany sy toerana misy azy no ilaina ao anatin’izany. Manana vina hametraka mpanara-maso eo amin’ny faritra 23 sy distrika 119 ity vondrona ity. Mpanara-maso manodidina ny 15 000 isa, araka izany, no ilaina, hanatrarana izany tanjona izany.

Hahazo tohana

Hisy ny tohana sy fampiofanana ho an’ireo vonona hirotsaka an-tsitrapo. Misy ihany koa ny fepetra mila fenoina ho an’izay vonona amin’izany. “Manao ny fanaraha-maso ary manao ny tatitra amin’ny rafitra mila izany, ahafahana miantoka ny fangaraharahan’ny fifidianana ny andraikitry ny vondrona”, hoy ny tompon’andraikitry ny vondrona Safidy.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: