Asso-Fanantenana : arindra iadiana amin’ny fahantrana ny teknolojia sy ny soatoavina

Fampifandraisana sy fampifandrindrana ny fandrosoana teknolojika amin’ ny soatoavina fototra hiatrehana ny fahasahiranana sy ny ady amin’ny fahantrana ny anton’ny fisiana sy fiasan’ ny Asso-Fanantenana. Nam­pahafantarina teny, Antani­narenina, afakomaly.

“Hanampy ny olona hioitra amin’ny fiainana hialana amin’ny fahasahiranana no tanjona”, hoy ny filoha mpanorina, Rakotonindriana Franck Gil Patrick. Misy ny latsakemboka 5 000 Ar isan’ olona fidirana ho mpikambana. Eo koa ny fanasana olona telo ho amin’izany. Miainga amin’izay ny ampahany isan-jato zaraina amin’ ny mpikambana hahazoany mamorona renivola hana­tanterahany ny vinany sy ny tetikasany.

Famerenana ny fihava­nana sy ny firaisankina nampahalaza ny raiamandreny teo aloha no atao. Nokaro­hina ny fampitambarana izany amin’ny teknolojia avo lenta hahazoana vokatra tsara sady haingana: “automatisme” amin’ny vola, izay programa mandeha ho azy hamoronana renivola ho an’ny mpikambana hanatanterahany ny vinany sy ny tetikasany. Erikerika mahatondra-drano izany; fampiasam-bola madinika, miainga avy amin’ny kely tonga be.
Tsy mifanalavitra amin’ ny efa fanaon’ny ntaolo mala­gasy, toy ny ankanatitra izany saingy arindra amin’ny teknolojia ankehitriny.

R. Nd.

Partager sur: