Nikatona, ny faran’ny herinandro teo, tany Morondava, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1B sokajy lehilahy. Voahosotra ho tompondaka nandritra ny fifaninanana, ny ekipan’ny Cosfa Analamanga. Nifanandrina tamin’ny ekipan’ny SBBC Boeny, teo amin’ny famaranana, ity ekipa tompondaka ary nahazo ny fandresena, tamin’ny isa 65 no ho 53. Fandresena efa nampoizina ihany raha ny herijika nananan’ny Cosfa hatrany am-piandohan’ ny fifaninanana, izay tsy mbola resy mihitsy tamin’ireo lalao rehetra natrehany. Mbola mpilalao avy ao amin’ny Cosfa ihany koa no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra sy mpilalao namono baolina betsaka indrindra. I Mandimbisoa Marios, laharana faha-12 no nahazo ny MVP ary Rasolofonirina Alexandre, laharana faha-7 kosa ny namono baolina be indrindra (138 isa). Laharana faharoa ny SBBC Boeny, fahatelo ny NGB Itasy ary laharana fahefatra kosa ny ASS Menabe.
Ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 14 taona indray no miandry ny Federasiona malagasin’ny basikety, izay hatao eny amin’ny kianjan’Ankatso, ny 15 hatramin’ny 25 jolay ho avy izao.
Mi.Raz