Ranomafana: kamiao nitondra solika nivadika

Tra-doza ka nivadika ny kamiao lehibe iray mpitatitra solika an’ny Jirama tao Sahamamy, kaominina Ranomafana, distrikan’i Brickaville, omaly. Nikasa hihazo an’Antananarivo, niharam-boina tampoka io fiara lehibe io. Nivoaka ny arabe, nivadika ny fiara. Vokany, naratra ny mpamily. Nentina notsaboina ao amin’ny CSBII Ranomafana avy hatrany izy. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Niditra an-tsehatra amin’ny fanadihadiana ny antony nahatonga ny tranga kosa ny zandary ao an-toerana. Marihina fa ankoatra ny tsy fitandreman’ny mpampiasa lalana, anisan’ny mahatonga ny loza anatin’ny lalam-pirenena faharoa ity koa  ny faharatsian-dalana.

Tsiferana R.

Partager sur: