Mifety am-pahamendrehana

Andro vitsy, hanamarika ny fiverenan’i Madagasikara ho mahaleo tena  ny vahoaka malagasy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina. Andro manan-tantara na dia sembanin’ny adilahy politika sy ny resabe momba ny maha-vazaha ireo mpitondra nifandimby teto hatrizay ka mandraka izao. Tsy atao itarina lavabe intsony ny mahakasika izany fa aleo mba samy makamaka aina sy  maka saina mandritra ity faran’ny herinandro somary lavalava ity. Andro tsy hiasana fa antenaina hitondra hery vaovao sy fomba fisainana hafa sy tsaratsara kokoa aorian’ny fety.

Mandritra izany, entanina ny isan-tokantrano mba hifety am-pilaminana sy am-pitoniana. Iaraha-mahalala fa na anaty fahasahiranana aza ny fianakaviana, miezaka ny mampifalifaly ny ankohonany avokoa. Tsy hanavahana sarangam-piarahamonina na antom-pivelomana izany fa samy mitady hirika hilanona. Fety ny andro, mahavariana ny mijery ireto raim-pianakaviana mamikiviky, mitady izay ho anjaran’ny menaky ny ainy. Homen-danja manokana ny ankizy amin’ny fividianana kilalao sy arendrina. Mahafinaritra ny mitazana fa tsy ataon’i “dada” ambanin-javatra ny fampifalifaliana ny kilonga.

Taratry ny mbola maha Malagasy tsy very izany, na inona na inona olana politika sy toekarena. Izany no hasin’ny fianakaviana. Noho izay fitiavana ny ankohonana izay, matetika no mahatonga ny sasany manaotao fahatany. Misy mandika ny lalàna tsy fidiny satria aleo tokoa maty rahampitso toy izay maty anio. Betsaka ny ray aman-dreny tsy mahazaka ny voamason-jaza, mipitrapitra mitady izay hohanina. Tsy midika anefa izany fa azo ekena ny tsy matimanota. Tsy sakana ampiharana ny lalàna ny fahantrana sy ny tsy fananana. Izay no ilàna fahaiza-mandanjalanja amin’ny fihetsika atao. Ratsy ny maka ny tsy an’ny tena, fa maika ratsy koa ny mihinana na manome ny ankizy ny zavatra nangalarina. Mila mifety am-pahamendrehana avokoa!

r.r

Partager sur: