Soa ihany fa tonga haingana ny polisy! Tratran’ny fokonolona namaky fasana ny jiolahy efatra tao Anosiarivo Manjakandriana, omaly. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Manjakandriana no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Vantany vao nahita ity trangana vaky fasana sy halatra taolam-paty ity ireo mponina teo amin’ny manodidina dia nampandre haingana ny polisy tao amin’ny kaomisaria. Tonga teny amin’ny fasana vaky tokoa ireo polisy ka voamarina ny fisian’izany. Jiolahy efatra no tratran’ny mponina tao an-tanàna izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity vaky fasana iray tao Anosiarivo ity. Mandra-pahatongan’ireo polisy anefa, efa nanamparan’ny olona ny hatezerany ireto malaso ireto. Niezaka nandamina ny raharaha sy ireo olona ny polisy ka voasoroka mialoha ihany izany na efa naratra aza ireo voarohirohy. Nosamborin’ny polisy izy ireo ka nentina namonjy toeram-pitsaboana noho ny ratra nahazo azy ireo. Voalazan’izy ireo tao anaty fanadihadiana savaranonando fa dimy lahy ry zalahy no nanao ity asa ratsy ity saingy tafaporitsaka ny iray raha tratra kosa izy efa-dahy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny polisy ireto jiolahy tratra tratra ireto. Tsy mety miteny rahateo izay mpaniraka sy ny antony hanaovana ireto taolam-paty ireto ry zalahy.
Jean Claude