Niova fianjaika !

 

Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny habetsaky ny vaovao ifampizarana, ary indrindra ny fikirakirana ny tenin-dreny.
Fantatray fa saro-piaro amin’ny gazety ianareo mpanjifa satria efa mifandray toa mpianakavy isika. Efa vita fati-dra ka tsy nivadi-belirano ianareo na nisy aza ny akanga tsara soratra nihaodihaody sy nanorom-ponenana. Manginy fotsiny ny sedra isan-karazany nolalovana noho ny valanaretina sy ny kirizy ara-toekarena sy sosialy. Tokam-po ianareo, nahafoy vola sy fotoana ho an’i Taratra.
Ankehitriny, noho ny hetahetam-ponareo sy ny fanamarihana nifampizarana, tonga ny fotoana nifanomezana. Niova fianjaika ny gazety, misantatra izany isika anio. Heverina fa hampitombo ny fahafaham-pon’ny mpamaky ny fanamby vaovao sy ny fanatsarana entina. Tsy nikely soroka ianareo nitondra soson-kevitra. Tafaray ny tia sy ny manina. Nifanojo ny fotoana sy ny filàna. Masaka ny nahandro, aroso iarahan-komana.
Mino sy matoky izahay fa mainka hampitombo ny fifankatiavana amin’ny gazety sy ny mpamaky ny fiovana. Hanamarika zotra sy tanjona vaovao iarahan’ny rehetra manatratra. Ho maroloko ny vokatra hatolotra. Hiakatra ny lenta eo amin’ny fanoratana. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny sarababem-bahoaka. Tsy ankifidy taona na sokajim-piarahamonina fa tsy mialon-jafy ny gazety, mitsinjo ny filàn’ny rehetra.
Tsy mikatona ny varavarana fa manentana ny Malagasy tsivakivolo, hifanome tanana amin’ny fanjifana, andaniny. Hiaraha-misalahy amin’ny famokarana izay hifampizarana, ankilany. Manentana ny loharanom-baovao samihafa, hitondra ny anjara birikiny amin’ny fizaram-baovao. Isika rehetra miara-misalahy no manome lanja ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana mamoaka vaovao.

r.r

Partager sur: