Tsy afaka CEPE : zazalahy 12 taona, namono tena

Maty nihantona tamin’ny lamba tao an-tranony ny zazalahy vao 12 taona, ny sabotsy teo. Voalaza ho antony, ny tsy fahafahany ny fanadinana CEPE.

Maty, namono tena ny zazalahikely vao 12 tao ny sabotsy lasa teo tany Ambatomanjaka, kao­minina Ambatomainty, distrikan’i Morafenobe. Niara-niandry ny voka-panadinana nia­raka tamin’ny kambana taminy izy tamin’io fotoana io. Nivaly ny fanadinana. Tsy afaka izy raha toa ka nahomby ny rahalahiny. Mbola niaraka nivarotra tamin’ny reniny tany an-tsena izy taorian’izay.
Ny tolakandro, nandao ny reniny teo am-pivarotana, nody tany an-trano izy. Tsy nisy na­nampo na inona na inona ireo fianakaviany. Ora iray taorian’izay, tonga tany an-trano ny reniny. Akory ny hatairany ilay zanany lahy nikirazorazo tao an-trano. “Ahiana ho namono tena io zaza io satria nihan­tona tamin’ny lamba”, hoy ny fanamafisan’ny zandary ao an-toerana. “Tsy nisy afa-tsy izy irery tao an-trano ka an­tony nanararaotany nanao io famonoan-tena io”, araka ny fanamafisan’ity farany.
Niroso tamin’ny faneso­rana azy teo amin’ny lamba nihantonany ireo nanatri-maso saingy tsy nisy aina in­tsony izy. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Efa nokarakarain’ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay zaza­lahy ary efa voalevona izy ireo.

Tsiferana R.

 

Partager sur: