Tsy nisy aina intsony! Zazalahy 2 taona maty tao anaty rano manamorona ny farihin’Alaotra, afakomaly. Nokarohina nanomboka ny alin’ ny 25 jona teo ity zazakely ity. Avy namonjy alim-pandihizana ny reniny no tsy nahita azy intsony tao an-trano, anatin’ny fokontany Marovato, kaominina Ambatosoratra. Naharay antso tamin’ny lefitry ny ben’ny Tanàna ny zandary fa nisy faty olona hita 500 m andrefan’i Marovato. Nijery ny zava-nisy, nihohoka anaty rano ilay zaza. Nozahan’ ny mpitsabo, maty vokatry fahatapenan’ny lalan-drivotra io zaza io. Ramatoa iray nametrahan’ny renin’ilay zaza fitokisana tamin’ny fanaraha-maso azy no nosamborin’ny zandary ao an-toerana. Mpivahiny anefa io ramatoa io ka efa nandao ny trano nonenany tamin’ny fotoana nikarohana azy. Sarona ihany izy niaraka tamin’ny zaza iray hafa ka atao famotorana ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Ambatosorotra. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay zazalahy.
Tsiferana R.